Poème: Prendre de l’âge - Fara Mananjandry

Prendre de l’âge
Non, je n’ai pas vieilli,
J’ai juste pris de l’âge.
Les rides des soucis
ont marqué mon visage.
Mais mon âme est toujours
prompte à s’émerveiller,
et mon cœur plein d’amour
est prêt à partager.
Bien sûr, mon corps flétrit
comme la fleur des champs,
tandis que mon esprit
se rit du poids des ans.
La vie est un passage,
de l’enfance à la mort,
et il faut, à tout âge,
vivre et sourire encore.
MITOMBO TAONA
Tsy miha antitra aho akory,
mitombo taona aho rahavako.
Ny kentron’ireo sorisory
no misoritra amin’ny tavako.
Ny fanahy anaty kosa,
mailaka hankafy ny tsara,
ary ao am-poko dia miavosa
ny fitiavan-te hizara.
Eny, milofika ny tena,
toa voninkazo an-jaridaina,
ny saiko anefa tsy mivena,
homehy ireo taona izay zakaina.
Ny fiainantsika dia voafetra,
fandalovana eto an-tany,
koa amin’ny taonanao rehetra,
mitsikia hatrany hatrany.
Fara Mananjandry
Androany alakamisy 12 martsa 2014
Un poème écrit en français et traduit en malgache, de et par Fara Mananjandry...