Poème: VOAHIRANA - Anse Etoile
VOAHIRANA
Lolon-drano meva sy mahababo
Mipoitra an-tsefatsefan-tatamo
Na iza misarika na iza manosika
Voahirana kosa tsy mety milofika
Endrin-dobo mahavelom-bolo
Tsy takon’ny haizin’ny tontolo
Mihiratra lava na alina na andro
Voahirana taratra hatrao anaty rano
Haingon-doharano mangatsakatsaka
Mpanjakavavin’ny mangarahara
Loko botsiaka no avohitry ny sorany
Voahirana mitana ny fahadiovany
Quatre Bornes, 28 Mai 2010
Anse etoile