Poème: HO ANAO RY NENY
HO ANAO RY NENY
Ho anao...
Tsy mba mitarain-tàna-mihepaka
Tsy mba milavo lefona raha lanaka
Fa miharitra hatrany ny mangidy
Misikina hanatontosana ireo adidy
Ho anao....
Tsy mba mikely soroka, tsy kivy
Tsy mety mihemotra na midify
Sahy mihatrika ny hady dikaina
Hahatafita ireo sombin’ny aina
Ho anao...
Vony ravaky ny tontolon’ny akany
Hanitry ny tokatrano tsy mety lany
Ony ipoiran’ny hasin’ny fianakaviana
Foto-pitia ijoroan’ny taranaka any aoriana
Ho anao indrindra ry Neny,
No anandratako anio vavaka manokana
Hitahirizan’Izy Tompo ‘lay ainao tokana
Hitoeranao hatrany eo ambany fahasoavany
Ary hijoroanao ho voninahitry ny Anarany
Antananrivo, 29 Mai 2016
Anse Etoile
HANTANIRINA OLIVA RAJOHARISON