Poème: "Au bord des ombres qui stagnent" Jean-Joseph Rabearivelo

Au bord des ombres qui stagnent,
sur des digues
dures et nues comme les roches,
mais où croissent des herbes précoces,
des pêcheurs sans nombre s’alignent
et jettent la ligne.
Des cimes qui s’arrondissent
comme des fruits qui mûrissent,
aux vallons qui s’allongent et deviennent plus humides
que les melons,
se suscitent des fuites d’oiseaux furtifs
et des dérives de clarté aveugle
qui effraient pareillement
et empêchent de mordre.
Maîtres du destin
et ne s’inquiétant de rien,
les pêcheurs s’interpellent de leur voix d’ombre
pour tendre les filets
dans lesquels ils rendront à la mer
ces poissons d’argent et de pourpre
qui se faufilent, insaisissables, à travers l’azur.
Eo amoron’ny aloka miandrona
ambony valamparihy
mafy sy mihanjaka toy ny vatolampy,
nefa anirian’ny ahi-maroroka,
dia misy mpanjono tsy hita isa milahatra
sy manipy fintana.
Ary any an-tendrombohitra mihavory
toa voankazo mihamasaka,
ka hatreny an-dohasaha mihalava sy mihamando
mihoatra noho ny voantango,
dia misy losi-boro-mangina
ary fivilim-pahazavana jamba
izay samy manaitra ny trondo
ka tsy mampanaikitra azy.
Tompon’ny vintana
ary tsy manahy na inona na inona,
mifampiantso amin’ny feony aloka ny mpanjono
mba hamelatra ny harato
hamerenany any an-dranomasina
an’ireto trondro volafotsy sy jaky
izay miporitsaka, tsy azo, eran’ny lanitra.
Jean-Joseph Rabearivelo
Traduit de La Nuit
Nadika tamin’ny Alina
Editions Tsipika