"Celle qui naquit avant la lumière" Jean-Joseph Rabearivelo

Celle qui naquit avant la lumière,
est-ce aujourd’hui son septième jour,
aujourd’hui comme hier et comme en l’éternité
sans passé ni futur ?
Elle renaît pourtant
avec le sommeil des oiseaux
et tandis que se cachent les pierres blanches
sur les sentiers qu’ont désertés les chèvres
comme sur les routes où cout le silence.
Mais tu ne vois d’elle que ses myriades d’yeux,
ses yeux reptiliens et triangulaires
qui s’ouvrent un à un
entre les lianes célestes.
Ilay teraka talohan’ny fahazavana,
moa ve izao no andro fahafitony,
izao, toy ny omaly ary toy ny mandrakizay
ho avy sy efa lasa ?
Teraka indray anefa izy,
miaraka amin’ny torimason’ny vorona
ary mandritry ny iafenan’ny vatofotsy
eny amin’ny kizo tokana nilaozan’ny osivavy,
toy ny arabe ihazakazahan’ny fanginana.
Nefa tsy misy hitanao afa-tsy ny masony alinalina,
ny masom-bibilava sy telozorony
izay misokatra tsirairay
eny amin’ny vahin-danitra.
Jean-Joseph Rabearivelo
Traduit de La Nuit
Nadika tamin’Ny Alina
Editions Tsipika