Conte: Ikompia et Itrimobe

Ikompia et Itrimobe
Ikompia est le seul garçon, paraît-il, qui n'avait pas peur de l'ogre Itrimobe.
Un jour, Itrimobe rentrait chez lui, marchant lentement, le dos courbé, s'arrêtant de temps en temps. Il était tellement las et avait extrêmement faim. Mais arrivé près de chez lui, il couru s'asseoir rapidement car il était accueilli par une bonne odeur de nourriture apportée par le vent. Il respira fortement pour apprécier.
Il entendit alors clairement la voix d'Ikompia qui l'appelait : ô, Monsieur Itrimobe, venez prendre des forces car le feu est en train de faire fondre la graisse; je suis également extenué du feu, vous devez avoir faim, en plus il fait chaud.
-Ce gars est gentille ! dit Itrimobe en s'approchant de lui. Ikompia lui tend alors de suite un morceau d'intestin de mouton. Il enfonce tout dans sa bouche et émet des bruits de contentement en le mangeant. Seulement, le morceau était tellement petit qu'il n'a pu être rassasié.
-Mais où as-tu trouvé d'aussi bonnes choses, Ikompia ?
-Pas loin, c'est mon intestin que j'ai creusé et que j'ai grillé pour toi parce que je me suis dis, Père Ratrimobe doit avoir faim.
-Si ton petit intestin de la taille d'un vers est si bon, le mien si gras doit être encore meilleur ?
- C'est évident !
- Mais dis-moi, comment as-tu fais pour l'enlever ?
- Très simple !
- Très simple comment ?
- J'ai brûlé ce morceau de fer, j'ai enfoncé dans mon nombril et mon intestin est sorti tout seul
- Je vais aussi prendre le mien !
Va te reposer à l'ombre car tu es fatigué, et je vais te le faire dit Ikompia, en mettant le morceau de fer dans le feu et en ajoutant du bois pour que le feu prenne bien.
Après un certain temps :
- Vas-y maintenant car c'est trop long ! J'ai vraiment trop faim !
- Sois patient, petit père, c'est pour bientôt. Le fer doit être rouge sinon il ne pourra pas pénétrer entièrement.
-Fais vite !
Ikompia s'active pour bien faire prendre le feu. Très vite il a été satisfait de la chaleur du fer.
-Me voici, on y va dit-il; allonges-toi s'il te plaît.
De suite, Ikompia enfonça le fer brulant dans le ventre d'Itrimobe qui le transperça jusqu'à son dos. Itrimobe avait tellement mal qu'il tomba sur sa tête, se tortilla dans tous les sens, cria, retomba violemment dès qu'il se relevait en cassant tout là où il tomba.
-Supportes, dit Ikompia, c'est bientôt fini.
Et c'est vrai, rapidement, Itrimobe se plia. Il tomba par terre, hurla une dernière fois et mourut.
Alors Ikompia a pris toute la fortune de Itrimobe. Et c'est aussi depuis ce jour qu'il n'y a plus de Trimobe d'après les angano.
Mais tout cela n'est que angano et arira.
Ikompia sy Itrimobe
Ikompia irery ihany, hono, no zazalahy tsy natahotra an'Itrimobe.
Indray andro, hono, nody Itrimobe, namindra miadana, nitanondrika, nivembena, niatoato izy fa torovana loatra sady noana aoka izany. Nony Tonga teny akaikin'ny fonenany teny anefa, hono Itrimobe dia namonjy nipetraka haingana, fa nisy rivotra nitondra fofon-kanina nitsena azy, ka novonjeny notrohina tamim-pahamiranana fatratra. Teo izy hankafy izay hifafy avy any.
Injay reny niavaka tsara ny feon’Ikompia niantso azy hoe : ô, ry Ingahy Ratrimobe iry ô, alao hery re fa lanin’ny afo foana ity ny njabora. Izaho koa lanaky ny afo, hianao noana rahateo, ny andro ity mahery dia mahery. Koa alao hery, ry Ikaky Ratsimobe, alao hery indray e !
- Tsara fanahy ihany kosa ilay aka izany ka ! hoy ny lehilahy lehibe tamy nanatona azy.
Vao tonga dia norosoan'Ikompia tonontsinain'ondry mifahy ka avy hatrany dia nitsamontsamona nambosibosika tokoa. Saingy kely loatra ka tsy ren'ny vazanainy akory.
- Fa taiza itony zava-matsiro itony, ry Ikompia ?
- Tsy taiza akory fa ny tsinaiko no noloarako ka natonoko ho anao fa noana izay ikaky Ratsimobe, hoy aho, anakampo.
- Ny tsinain'ialahy kankana io aza mamy toy izany, indrindra fa ny ahy matavy be ity ?
- Tsy tenenina intsony izany !
- Fa hono, hoy aho, ahoana kosa no nataon'ialahy nandoarana azy ?
- Tsotra fotsiny !
- Tsotra fotsiny ahoana ?
- Ahoana fa tsy ity vy ity no nodorako, dia natarataratro teto ambony foitraka, dia niloatra ho azy avy eo ny tsinaiko aman-taviko.
- Andeha any ahy leitsy mba holoarako !
- Makà aina avy etsy aminn'y maloka etsy hianao fa reraka, fa alao hanaovako azy vetivety, hoy Ikompia sady natsofony tao anaty vain'afo niredaka ilay fonjam-by dia mbola nototofany kitay be dia be indray ary nokopahiny hiredareda ny afo.
Nony afaka kelikely :
- Alefaso amin'izay lehiroa, fa ela loatra a! Ny aina izany efa mitofezaka !
- Mahandrasa, ry Ikaky ô, fa kely foana sisa. Raha tsy atao mena mivaivay somary maniry pitik'afo anie tsy hahaloatra azy tanteraka e !
- Haingana ary ialahy !
Dodona dia dodona tokoa Ikompia nikopaka ny afo. Tsy ela akory dia nahafa-po azy ny hangotra'ilay vy.
- Aiza amin'izay ary ry Ingahy rainy fa efa ity, hoy izy : mitsilanesa hianao, azafady.
Tonga dia naletik'Ikompia mafy teo amin'ny kibon'Itrimobe ilay vy mivaivay ka tafagorobaka tany an-damosiny. Notroatra Itrimobe, nijafajafa, nidradradradra, nanao savoan-danitra eran'ny tampon-tanety ka izay nianherany no nitresaka.
-Iareto ihany fa kely sisa ô, hoy Ikompia. Tsy ela akory tokoa dia iny fa nitambositra Itrimobe.
Nitrosina amin'ny tany, nitrona indray mandeha dia afaka ny ainy.
Dia lasan'Ikompia daholo, hono, ny harem-ben'Itrimobe mianakavy. Ary hatramin'izay no mankaty dia tsy nisy Trimobe intsony, hoy ny angano.
Fa angano izany ka arira ihany