Poème: "Ile Rouge…" - Dox

Photo: Benoit Feron
Ile Rouge…
La vue de certains endroits d’Imerina me désole
Avec leur terre rouge. N’est-ce cela, quand on y pense,
Qui a simplement fait qu’on a, à Madagascar,
Donné le nom : « Ile rouge »… Comme un symbole.
Symboles sont les collines usées à force d’être brûlées
Et emportées par les torrents provenant de la pluie…
Là-haut vous verrez, parmi les creux des rigoles
Ces anciens villages fondés par nos ancêtres.
Des villages qui se ressemblent de par leurs pignons
Et les poulaillers et les enclos dans les cours !
Point de puits il faut aller puiser loin dans la vallée…
Les générations à venir y penseront
Et dresseront d’autres murs qui remplaceront sans bruit
Les villages aux murs rouges qui nous ont tant attendris !
Araignée, p. 72
Nosy Mena…
Mahaontsa ny fijeriko ny toeran-tsasany eto Imerina
Amin’izato tany menany. Moa tsy izany raha heverina
No nahatonga tsotra izao an’i Madagasikara
Ho nomena ny anarana : « Nosy mena »… Fanambara.
Fanambara ny havoana lanaka nodorana
Ary dia nokaohin-driaka avy tamin’ny ranonorana…
Eny no ahitanao, miaraka amin’ny làlan-driaka
Ireo tanàna fahagola’zay naorin-drazantsika.
Tanàna toa mitovy endrika amin’ny tapenaka aminy
Sy ny fisoko amam-bala tazana eo an-tokotaniny !
Ny fantsakana dia tsy misy fa any an-dohasaha any…
Ny taranaka ho avy dia hihevitra an’ireny
Ary hanangan-drindrina hafa ka hisolo tsy an-kiteny
‘Reo tanànan-drindri-mena mahonena aoka izany !
Folihala, p. 72
Jean Verdi Salomon RAZAKANDRAINA (DOX)
Textes malgaches choisis et traduits par
François-Xavier RAZAFIMAHATRATRA