"Je vous aime"

| Je vous aime Hainteny Merina |
|
|
|
|
|
|
|
| Tiako hianao | Je vous aime |
| Ary tianao tahaky ny inona ? | Et comment m’aimez-vous ? |
| Tiako tahaky ny vola hianao | Je vous aime comme l’argent. |
| Izany tsy tianao aho | Alors vous ne m’aimez pas. |
| Fa raha noana hianao hatakalonao hanina | Si vous avez faim, vous m’échangerez pour ce qui ce mange |
|
|
|
| Tiako hianao | Je vous aime |
| Ary tianao tahaky ny inona ? | Et comment m’aimez-vous ? |
| Tiako tahaky ny paraky hianao | Je vous aime comme le tabac |
| Izany tsy tianao aho | Alors vous ne m’aimez pas. |
| Fa ataonao fitia momba rora | Votre amour suit votre salive |
|
|
|
| Tiako hianao | Je vous aime |
| Ary tianao tahaky ny inona ? | Et comment m’aimez-vous ? |
| Tiako tahaky ny jiafotsy hianao | Je vous aime comme le tissu de raphia |
| Izany tsy tianao aho | Alors vous ne m’aimez pas. |
| Intelo tafina ka mievotra ihany | Trois fois on le revêt et pourtant il s’échappe |
|
|
|
| Tiako hianao | Je vous aime |
| Ary tianao tahaky ny inona ? | Et comment m’aimez-vous ? |
| Tiako tahaky ny lambamena hianao | Je vous aime comme le lambamena |
| Izany tsy tianao aho | Alors vous ne m’aimez pas. |
| Fa efa maty, vao mihaona | Nous mourrons avant de nous rencontrer. |
|
|
|
| Tiako hianao | Je vous aime |
| Ary tianao tahaky ny inona ? | Et comment m’aimez-vous ? |
| Tiako tahaky ny voatavo hianao | Je vous aime comme la voatavo |
| Lena hianao haniko | Fraîche, je vous mange |
| Maina hianao ataoko zinga | Sèche, je fais de vous une tasse |
| Vaky hianao atakaoko toham-baliha | Cassée, je fais de vous un chevalet de valiha |
| Hotendreko eroa amoron-dalana | Je jouerai légèrement au bord des routes |
| Izay olo-mandalo mandreny avokoa | Tous ceux qui passent l’entendent. |
|
|
|
| Izany aho vao tianao tokoa | C’est maintenant que vous m’aimez tout à fait |
|
|
|
|
| Traduction de Jean Paulhan Les hain-teny merinas, 1913 |