La gourmandise est un vilain défaut

Lehilahy tena tendan-kanina |
| La gourmandise est un vilain défaut.
|
Fahiny elabe, hono, dia nisy lehilahy irayntena tendan-kanina tokoa.
Maty vady izy io ary niara-nonina tamin’ny zanany vavitokana.
Taty aoriana, nony lasa nanambady ny zanany dia nitoetra irery izy ka dia nanaram-po nihinana sy nandany ny harin’izy mivady hatrizay.
Volana vitsivitsy dia fongana avoakoa ny biby fiompiny satria saika isan’andro dia mamono foana izy.
Noho ny tendany izay efa lasa toa zandrin-davaka dia namoron-kevitra izy fa hamangy matetika ny zanany any ampa nambadiana hono sady manina ireo zafikeliny koa.
Anisan’ny nanana tao amin’ny vohitra nonenany moa ilay vinantolahiny ka isaky ny tonga ingahibe dia mamono akoho ho fanajana rafozana.
Lany ny akoho dia mamono gana, lany ny gana dia ny gisa.
Lany daholo ny akoho amam-borona dia efa nanandrana namono zana-kisoa ilay vinanto.
Tsy nanakana izany famonoana zana-kisoa izany ny rafozan-dahiny fa nibitaka anaty fa hihinanna ny matsiro.
Tsapan’ity vinanto-lahy anefa izany hafetsena sy toetra ratsy mambotry anaka nananan’ity rafozany ka dia novonjeny namidy avokoa ireo zana-kisoa nandritra ny fotoana tsy namangian-drafozany azy. Tato aoriana dia tonga namangy toy ny fanaony indray ingahibe fa efa taman-komana.
Mody niseho ho sahiran-tsaina ery ny vinantolahiny amin’ny famoronan-daoka.
« Inona re rankizy, hoy izy, no hatao laoka ho an’i dadabenareo ?
Efa lany daholo ity ny akoho aman-borona.
Ny zana-kisoa koa namidy nanefana ny saram-pianaranareo !
Ilay sarakely vao teraka tamin’ny iray volana angaho no ndeha hajedaka ka avia ampio aho hitazona azy fa tsy matiko samirery io ».
« Ny ankizy ve anaka hahatazona azy, hoy ingahibe nitsatsaingona fa aoka izaho no hanampy anao, ».
« Andao ary » hoy ny vinantony sady norainsiny ny antsy.
Nony tonga tany alatrano dia nadabok’izy mianaka ilay omby kely.
Somokitra ery ingahibe mitazona ny tongotr’omby sy manindry ny kibon’ilay saraka amin’ny lohaliny.
Dia nodidian’ilay vinanto tamin’ny vohon’antsy ny tendan’ilay saraka.
Tsy naharitra ingahibe ka niteny hoe :
« Vohon’antsy ange anaka izany andidianao azy izany ! »
Nokapohin’ilay vinanto tamin’ny tanany havia ilay saraka sady hoy izy :
« Miarema, ny tendany efa ho lava ve no hamonoako ny sarako donga ? »
Saika tsy nahita lalan-kaleha noho ny henatra, hono, ilay rafozana ka ny ampitso vao mangiran-dratsy dia lasa nitodi-doha nody fa milaza manana fotoana amin’olona hono.
Conte bilingue Joseph Ramarozoky Bibliothécaire à Antanifotsy
|
| Il y a très longtemps, dit-on, il y avait un homme qui avait vraiment un énorme appétit.
C’était un veuf qui vivait avec sa fille unique.
Plus tard, quand sa fille partit se marier, il vécut seul et il mangea excessivement et gaspilla tout ce qu’il avait gagné avec sa femme.
En quelques mois, il ne resta plus rien du tout de son élevage d’animaux car presque tous les jours il en avait tué.
A cause de sa gourmandise, qui était devenue « le cadet d’un trou », il eut l’idée de rendre visite plus souvent à son enfant dans son ménage.
Son gendre faisait partie des plus riches de son village et chaque fois que Monsieur venait, on tuait un poulet par respect pour son beau-père.
Quand il n’y eut plus de poulets, on tua les canards et quand il n’y eut plus de canards, ce fut le tour des oies.
Toute la volaille était mangée et le gendre commença à tuer les porcelets.
Son beau-père ne l’avait pas empêché de tuer les porcelets mais il sautait de joie intérieurement de manger ces mets délicieux.
Cependant, le gendre avait compris la ruse et la méchanceté de son beau-père à vouloir nuire aux enfants et il profita de vendre les porcelets quand le beau-père ne vint pas leur rendre visite. Plus tard, Monsieur vint rendre visite comme c’était la coutume parce qu’il était déjà habitué à manger.
Son gendre fit semblant de se soucier à chercher de quoi faire un repas.
« Qu’est-ce qu’on va préparer, dit-il aux enfants, pour le repas de votre grand-père ?
Poulets et volailles sont déjà tous mangés.
Les porcelets ont aussi été vendus pour votre écolage !
C’est le petit saraka (veau qu’on a séparé de sa mère) né il y a juste un mois qu’on va peut-être tuer ».
« Les enfants ne pourront pas le tenir, mon enfant, dit le Monsieur, qui lui coupe la parole, mais laisse-moi t’aider. »
« Allons-y alors », dit son gendre, et il prit le couteau.
Quand ils furent à l’extérieur, les deux firent tomber le veau.
Monsieur s’applique à tenir le petit veau et à presser le ventre du saraka avec son genou.
Et le gendre coupa la gorge du saraka avec le dos de son couteau.
Le Monsieur ne le supporta pas et dit :
« Tu le coupes avec le dos du couteau mon enfant ! »
Le gendre frappa le saraka avec la main gauche et dit :
« Relève-toi, je ne tuerai quand même pas mon dodu saraka à cause de ta gourmandise ».
Alors, à cause de la honte, le beau-père ne trouva plus le chemin du retour, dit-on, et le lendemain aux premières lueurs de l’aube, il rentra sous prétexte qu’il avait rendez-vous.
Merci à l’Inalco, Paris pour la traduction
|