"La peau de la vache noire est tendue" Jean-Joseph Rabearivelo

Voahenjana ny hoditr’ilay reniomby mainty,
voahenjana tsy nahahy,
voahenjana ao anaty aloka fito sosona.
Fa iza no namono ilay reniomby mainty,
maty tsy nimà, maty tsy nitrena,
maty tsy nenjehina
eto amin’ity tanin’ahitra mamony kintana ?
Io izy mivalandotra co amin’ny antsasaky ny lanitra.
Voahenjana ny hoditra,
eo ambonin’ny vatam-peon’ny rivotra
izay sokirin’ny jinan’ny torimaso.
Dia vonona ny amponga
nony efa milefan-tenina
ny tandroky ny zanakomby voavonjy
izay mifalihavanja
ary miraotr’ahitra eny an-tendrombohitra.
Hiraondraona,eo izy,
ary ny fankatoavany dia zary nofy
mandra-pahaveloman’ilay reniomby mainty indray,
fotsy sy mavokely,
eo amoron’ny onin’ny fahazavana.
La peau de la vache noire est tendue,
tendue sans être mise à sécher,
tendue dans l’ombre septuple.
Mais qui a abattu la vache noire,
morte sans avoir mugi, morte sans avoir beuglé,
morte sans avoir été poursuivie
sur cette prairie fleurie d’étoiles ?
La voici qui gît dans la moitié du ciel.
Tendue est la peau
sur la boîte de résonance du vent
que sculptent les esprits du sommeil.
Et le tambour est prêt
lorsque se couronnent de glaïeuls
les cornes du veau délivré
qui bondit
et broute les herbes des collines.
Il y résonnera,
et ses incantations deviendront rêves
jusqu’au moment où la vache noire ressuscitera,
blanche et rose,
devant un fleuve de lumière.
Jean-Joseph Rabearivelo
Traduit de La Nuit
Nadika tamin’ny Alina
Editions Tsipika