Poème: "Lames d’eau, verres étincelants" Jean-Joseph Rabearivelo

Lames d’eau, verres étincelants
- lunettes pour myope ou pour presbyte ?-
velours de prunelles
lisse comme le cuir blanc des lis
et plus fragile qu’ongle d’enfant.
Les vents naissent au-delà des montagnes
et glissent jusqu’ici où dorment les plantes
qu’ils saccagent puis abandonnent.
Elan de lumière à leur poursuite
jusqu’au désert sidéral
jonché de lames d’eau, de verres
et de velours de prunelles
luisant silencieusement
et indiquant une route herbeuse
entrecoupée de fleuves caillouteux,
à cette lune borgne
qui y chancelle
et qu’égarerait le moindre tremblement de ces cils.
Ela-drano, fitara-mamiratra
- solomaso ho am-pahina, sa ho an-jokiny ?-
vilaorin’anakandriamaso
malambo toy ny hoditra fotsin’ny lisy,
ary mora poritra mihoatra noho ny hohon’ankizy…
Teraka ny rivotra any ankoatry ny tendrombohitra,
ary mandady hatrary izay atorian’ny zava-maniry
izay baboiny dia ilaozany.
Eza-pahazavana manenjika azy
hatrany amin’ny efitry ny kintana
voafafy ela-drano sy fitaratra
aman-bilaorin’anakandriamaso
manjelatra amin-panginana
ary manoro làlana feno ahitra
tapatapahin’ony feno vatokely
amin’ity volana toka-maso
izay mandraingiraingy eo
ary hoverin’ny fipararetran’ny volomasony kely indrindra.
Jean-Joseph Rabearivelo
Traduit de La Nuit
Nadika tamin’Ny Alina
Editions Tsipika