Poème: "Le vitrier nègre" Jean-Joseph Rabearivelo

Publié le par Alain GYRE

 

Le vitrier nègre

Dont nul n’a jamais vu les prunelles sans nombre

Et jusqu’aux épaules de qui personne ne c’est encore haussé,

Cet esclave tout paré de perles de verroterie,

Qui est robuste comme un Atlas

Et qui porte les sept ciels sur sa tête,

On dirait que le fleuve multiple les nuages va l’emporter,

Le fleuve où son pagne s’est déjà mouillé.

 

Mille et mille morceaux de vitre

Tombent de ses mains

Mais rebondissent vers son front

Meurtri par les montagnes

Où naissent les vents.

 

Et tu assistes à son supplice quotidien*et à son labeur sans fin ;

Tu assistes à son agonie de foudroyé

Dès que retentissent aux murailles de l’Est

Les conques matines –

Mais tu n’éprouves plus de pitié pour lui

Et tu ne te souviens même plus qu’il recommence à souffrir

Chaque fois que chavire le soleil.

 

 

Ilay lahimainty mpameta-pitaratra

izay mbola tsy hitan’iza na iza ny voamasony tsy hita izany

ary tsy mbola tsitakatr’olona soroka –

ilay andevolahy toto-bakana,

izay tomady hoatra an’i  Atlas,

ary miloloha ny lanitra fito,

toa havalan’ny ony arivon’ny rahona izy,

ilay ony mamonto ny sikiny sahady.

 

Vakim-pitaratra arivoarivo

no mianjera avy eny an-tànany,

nefa mievotra mankeny amin’ny andriny

mangan’ny tendrombohitra

ahaterahan’ny rivotra.

Ary manatrika ny fijaliany isan’andro hianao

sy ny raharahany tsy misy farany ;

manatrika ny fialany aina latsaham-potaka hianao

raha vao maneno eny amin ‘ny tamboho antsinanana

ny antsivan-dranomasina –

nefa tsy manam-pangorahana azy intsony hianao

ary tsy mahatsiaro akory fa mijaly indray izy

isaky ny  fefika ny maosandro.

 

Jean-Joseph Rabearivelo

Traduit de La Nuit

Nadika tamin’Ny Alina

Editions Tsipika

 

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article