Les oiseaux ont choisi leur roi

Publié le par Alain GYRE

 

 

Vorona nifidy Mpanjaka

 

Les oiseaux ont choisi leur roi

 

 

     Niainga hono, ny voro-manidina rehetra teto ambonin’ny tany ka nifanaiky hifidy mpanjaka, nefa tsy mba toga teo ny vorondolo, fa sendra nampifana ny vadiny.

     Tous les oiseaux de la terre se sont réunis et se sont mis d’accord afin d’élire leur roi. Mais seul le hibou était absent car il devait aider sa compagne qui couve ses petits.

 

 

     Dia nifanaiky ny vorona rehetra fa izay mahita ny vorondolo ka tsy mamono azy, dia hariana amim-pihavanana ka hatao fahavalo mihitsy.

     Alors tous les oiseaux se sont mis d’accord afin de mettre à l’index celui qui rencontre le hibou sur son chemin et qui ne l’aurait pas tué.

 

 

     Izany hono, no tsy andehana’ny vorondolo antoandro, satria izay vorona mahita azy dia mifandrombaka mamono azy avokoa.

     C’est pourquoi le hibou ne voyage jamais le jour, car tout oiseau qui l’apercevrait, se précipiterait pour le tuer.

 

 

     Dia nanendry tena ho mpanjaka kosa ny voromahery, nefa tsy naken’ny be sy ny maro, satria mahery setra laotra, ka dia nifandrafy taminy izy ; koa izany vorona hitany dia paohiny avokoa ;

     C’est alors que l’aigle s’est proclamé roi ; mais la majorité l’a récusé ; car c’est une brute ; ainsi l’aigle s’est mis à dos tous les oiseaux et s’est mis à les pourchasser.

 

 

     Ka dia nifanara-kevitra ny vorona fa ny railovy no hofidiana mpanjakany, satria izy no tsara tarehy sy lava sanga no mahay feo samy hafa.

     Alors les oiseaux se sont mis d’accord pour choisir l’oiseau royal comme roi, car il est magnifique, avec sa grande huppe et sifflote plusieurs airs.

 

 

     Izany hono, no manaovan’ny olona ny railovy hoe mpanjakan’ny vorona rehetra.

     C’est pourquoi, on a choisi l’oiseau royal, comme roi de tous les oiseaux.

 

 

Anganon’ny Ntoalo. Akany Béryl-Rose – Jolay 1999

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article