Poème: "Voici…" Dox

INDRO…
Indro ny Zanakavavin'ny Alina
Hiroboka anatin'ny Lanitra lalina…
'Ndeha handro izy iny…
Ny volony lava toa setroka oly,
Ny maso baliakany toa hanangoly…
Mandrendri-bahiny !…
Mba mahina angaha sao misy mahita
Ka miherika im-polo…, kinanjo eny am-pita
dia indro tokoa…
Ingahy masoandro misalotra mena
malaina handao an'ity fijerena
An-dRavolana soa !…
Dia indro fa nihaona ny masony roa
Ka menatra indrindra Ravolana soa
Noraisiny haigana
'lay rahona kely mba sendra nandalo
ho enti-manafy an'ity tena mimalo
tsy ho hita mivaingana…
Nandrasany teo ny hiangan'i Mazava…
Vao 'zay izy sahy nampiseho ny tava !
… Dia tena nitranga !
Nisosa malako, nandeha nilomano
namaky ny ony 'zay manganohano :
Ny lanitra manga
VOICI…
La fille de monsieur LA NUIT,
Mademoiselle Ravolana Soa, Belle LUNE,
Qui se prépare pour un bain dans le ciel profond de la nuit.
Superbe aux grands yeux profonds,
belle aux cheveux longs,
traînées de nuages blancs,
elle se retourne plusieurs fois
par peur des regards indiscrets.
Lorsqu'en face, monsieur Soleil,
Tout de rouge vêtu, tarde à quitter des yeux
le superbe spectacle offert par Ravolana Soa !
Et voilà que leurs regards se croisèrent.
Honteuse, Ravolana Soa prit vite
un petit nuage pour cacher sa nudité…
Elle resta là jusqu'au départ du jour…
A cet instant seulement elle osa montrer
Son visage…
Cela se fit…
Confiante, elle partit voguer sur les ondes
Du Ciel d'Azur !
DOX, 1938
Traduction RAMANATANTARA, Massy, 2006