"Quel rat invisible" Jean-Joseph Rabearivelo

Publié le par Alain GYRE

 

Voalavo tsy hita inona,

avy any ankoatry ny rindrin’ny alina

no mikiky ny mofo rononon’ ny volana ?

Rahampitso maraina,

rahefa nandositra izy,

dia hisy dia-nify misy ra co.

 

Rahampitso maraina,

ny olona avy nimamo nandritry ny alina

sy ny olona avy niloka,

raha mijery ny volana,

dia hiboredika hoe ;

« Voamenan’iza iry mihosin-dra

mikodia ery amin’ny latabatra maitso ? »

« A! hoy ny iray aminy

may daholo ny an’ilay sakaiza

ka namono tena izy ! »

 

Dia hikakakaka daholo izy

ary hiraingiraingy hianjera.

Ny volana kosa, tsy ho co intsony :

nentin’ny voalavo any an-davany izy.

 

 

Quel rat invisible,

venu des murs de la nuit,

grignote le gâteau lacté de la lune ?

Demain matin, quand il se sera enfui,

il y aura là des traces de dents sanglantes.

 

Demain matin,

ceux qui se seront enivrés toute la nuit

et ceux qui sortiront du jeu,

en regardant la lune,

balbutieront ainsi :

« A qui est cette pièce de quat’sous

qui roule sur la table verte ? »

« Ah ! ajoutera l’un d’eux,

l’ami avait tout perdu

et s’est tué ! »

 

Et tous ricaneront

et, titubant, tomberony.

La lune, elle, ne sera plus là :

le rat l’aura emportée dans son trou.

 Jean-Joseph Rabearivelo

Traduit de la Nuit

Nadika tamin'ny Alina

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article