Poème: Tu chantes… Dox

Tu chantes…
Par quelle issue cachée au fond de ton cœur,
Penses-tu faire échapper ton âme de ton corps ?
Tu chantes et espères que le chant
Elèvera ton âme vers la voie lactée…
Telle une feuille fanée par la sécheresse,
Qui a subi un vent fort et déjà lasse de vivre,
Elle s’envolera vers le paradis des âmes,
Où les soucis et les angoisses n’existeront plus.
Les fleurs et les feuilles fanées qui tomberont,
Seront remplacées par des bourgeons…
Toi, l’âme tu te métamorphoseras en étoile,
Tu ne tomberas plus du firmament.
Mais les oiseaux, qui ne cessent de créer
Des mélodies qu’ils fredonnent… Hélas, ces oiseaux
Seront sans voix lorsque leur mort sera proche…
Ayez pitié d’eux !
Mihira ianao…
Varavaravana aiza miafina ao am-ponao anefa,
No hahafahanao « fanahy » amin’ny nofo hoe hilefa.
Mihira ianao, ka ny hira no fanainga heverinao
Hanainga ny fanahinao hihoatra izao tontolo izao.
Toy ny ravina nalazo avy tamin’ny hamainana,
Sendra rivotra mipoaka sady efa leom-piainana
Ka hisidina amin’ny tany, tany ho an’ny fanahy…
Mahafa-tebiteby sy mahafaka ahiahy…
Ny voninkazo sy ny ravina raha handazo ka hanintsana
Mbola hisolo tsiry vao… Ianao fanahy moa ho kintana
Tsy hanintsana intsony eny an’habakabakao !
Fa ny vorona, ny vorona tsy mitsahatra mamorona
Feon-kira hohirainy… mahonena fa ny vorona
Dia ho takim-peo ny farany, rahefa ho faty ! Itseronao.
Dox (1913-1978) RAZAKANDRAINY Jean Verdi Salomon |
Traduction de : RANDRIANARISOA-RASENDRA Irène Poésie malgache et dialogue de culture TSIPIKA |