Poème: "Tu dors, ma bien-aimée" Jean-Joseph Rabearivelo

Matory ianao, ry malalako ;
matory eo amin’nysandriny hianao, ry zanako farany.
Tsy hitako ny masonareo mavesatry ny alina,
izay mpanjelatra
toy ny voavola marina
na toy voaloboka masaka.
Misy fololo-drivotra soa mampitafitafy ny varavarantsika,
mampibontsina ny akanjonareo manify
sy mampihofahofa ny volonareo,
dia mipaoka taratasy eo ambony latabatro
izay enjehiko eo an-tokonana
Mitraka aho,
ary eny an-tànako ny tononkita vao natomboka :
mipandrampendrana ery amin’ny lanitra ny masonareo,
ary tononiko hoe : KINTANA
Tu dors, ma bien-aimée ;
tu dors dans ses bras, ô ma dernière-née.
Je ne vois pas vos yeux lourds de nuit
qui d’ordinaire s’irisent comme des perles authentiques,
ou des raisins mûrs.
Une bouffée de bon vent entr’ouvre notre porte,
fait gonfler vos robes légères
et trembler vos cheveux,
puis emporte un papier de sur ma table
que je rattrape près du seuil.
Je lève ma tête,
le poème commencé dans la main :
vos yeux clignotent dans l’azur,
Et je les appelle ; étoiles.