"Tu t’es construit une tour sous le vent" Jean-Joseph Rabearivelo
Tu t’es construit une tour sous le vent
puis tu t’es accroupie sur l’eau,
ô reine sans visage
dont la pointe de la couronne
défie ce-qui-deviendra-pluies,
et dont les diamants embués
sont faits d’astres, et rien que d’astres.
O belle âme de ce-qui-change,
ô sœur et fille, tour à tour,
de cette lune qui vient de naître
à l’orée d’un verger,
tu as bâti sous le vent
et tu habites sur l’eau
comme mes rêves de sagesse !
Que nous fera la chute brusque
de ce qui est notre royaume ?
Comme ta tour, comme la mienne,
comme la perfide que foulent nos pieds,
cette joie dont pétillent nos yeux,
si elle doit bientôt s’éteindre,
ne nous reviendra-t-elle pas autre et nouvelle ?
Nanangana tilikambo tany ambanin’ny rivotra hianao,
dia nitorovoka eo ambonin’ny rano,
ry mpanjakavavy tsy manan-rarehy,
manan-tendrom-pehiloha
mihatsy izay-ho-tonga-orana,
sy diamondra manjavona
vita amin-kintana, ary amin-kintana fotsiny.
Ry fanahy soan’ny zava-miova,
ry sady rahavavy no zanakavavin’
ny volana vao teraka
eny antsinin’ny tanimboly iray,
nanorina teny ambanin’ny rivotra hianao,
ary monina eo ambonin’ny rano,
toy ny nofinofim-pahendreko !
Mampaninona antsika ny faharavana tampok’izay fanjakantsika !
toy ny tilikambonao,toy ny ahy,
toy ilay mpamitaka hitsahin’ny tongotsika,
ity hafaliana mampanjelatra ny masontsika
na dia ho tankina haingana aza izy,
moa ve tsy hiverina amintsika hafa sy vaovao izy ?
Jean-Joseph Rabearivelo
Traduit de La Nuit
Nadika tamin’ny Alina
Editions Tsipika