Poème: "Tu te leurres" Jean-Joseph Rabearivelo

Tu te leurres,
Toi qui as l’air d’un petit oiseau
égaré dans la forêt neigeuse qui va
jusqu’à la poitrine de Tagore,
de Whirtman et de Jammes
qui remplacent le Christ sur ta couche,
puisque ce n’est pas la vieillesse du monde
ni celle du jour plusieurs fois millénaire
qui caresse ici sa barbe blanche
et épaisse comme l’oubli,
comme l’espoir et comme la brume des matins torrides,
là-bas, sur toutes les montagnes,
astrologue interrogeant les étoiles
et fumant une pipe en terre.
C’est sa jeunesse, ô mon enfant,
sa jeunesse éternelle :
métamorphosée
(peut-être, grâce au chant des poètes que tu préfères
et qui créent pour toi une religion
dans ce silence sans fond
peuplé de colonnes et de fleuves,
de vivants et de morts)
elle n’est plus que l’ombre de tout le passé
et n’écoute que le seul présent.
Sodoka hianao,
hianao izay toa voronkely
very ao anatin’ny ala rakotr’orampanala mizotra
hatreo an-tratran-dry Tagore,
sy Whitman ary Jammes
izay misolo an’i Kristy eo andoha-fandriananao
satria tsy ny fahanteran’izao tontolo izao
na ny an’ny andro efa mahatratra arivo taona maro
no misafosafo eto ny volombavany fotsy
sy matevina toy ny fanadinoana,
toy ny fanantenana sy toy ny zavon’ny maraina mangotra,
ery an-tampon’ny tendrombohitra rehetra,
mpanandro manontany ny kintana
sy manao katroka an-tany.
Ny fahatanorany io, anaka,
ny fahatanorany mandrakizay ;
miova endrika-
angamba noho ny hiran’ireo mpanao-tononkira maminao
izay mamorona fivavahana ho anao
ao anatin’ity fanginana tsy taka-polopolorina
onenan’andry sy ony,
sy velona sy maty-
aloky ny lasa rehetra izy sisa
ary tsy mihaino afa-tsy ny ankehitriny.
Jean-Joseph Rabearivelo
Traduit de La Nuit
Nadika tamin’ny Alina
Editions Tsipika