Poème: "Vaines, toutes ces anticipations" Jean-Joseph Rabearivelo

Vaines, toutes ces anticipations
qui veulent nous donner des ailes
et qui promettent
que nous séduirons un jour quelque Martienne ?
Vain aussi, le rêve
qui perdit Icare
plus que le soleil
qui but la cire merveilleuse ?
Mais quel triomphe certain
n’annoncent déjà tous ces signaux
que terre et ciel s’envoient
à l’orée du sommeil :
dans nos cités de vivants,
jusqu’aux plus humbles huttes
répondent aux appels de feu
jaillit des étoiles naissantes.
Zava-poana avokoa ve ireto tombantombana rehetra
izay te-hanome elatra antsika
ary mampanantena
fa hamabo Martiana vavy isika indray andro any ?
Zava-poana koa ve ilay nofy
izay namery an’Icare
mihoatra noho ny hainandro
nisotro ilay savoka mahagaga ?
Nefa tena fandresena azo antoka
no efa ambaran’ireto marika rehetra ireto
ifanaovan’ny tany sy ny lanitra
eo amoron’ny torimaso :
eto amin’ny vohistika velona,
hatramin’ny tranotomboka mahantra indrindra
no mamaly ny antso-afo
mipoitra eny amin’ny kintana terabao.
Jean-Joseph Rabearivelo
Traduit de La Nuit
Nadika tamin’Ny Alina
Editions Tsipika