Haricots blancs aux saucisses
/image%2F1287026%2F20260719%2Fob_d98f1e_1-a-haricots-blancs.jpg)
Tsaramaso sy Sosisy (na Henakisoa)
Isan'ny olona: 4 ka hatramin'ny 6
Akora ilaina ::
- Tsaramaso: 300g tsaramaso fotsy maina
- Hena: 300g sosisy gasy (saucisses fraîches) na henakisoa matavy (tetehina)
- Zava-manitra:
- Tongolobe 1 lehibe (voatetika)
- Tongolo gasy 4 silany (voatoto)
- Sakamalaho (gengembre) kely (voatoto)
- Voatabia 2 lehibe (voatetika madinika)
- Menaka sy sira
Fomba fikarakarana :
Fikarakarana ny tsaramaso:
- Alomy ao anaty rano mangatsiaka mandritra ny alina ny tsaramaso fotsy.
- Ny ampiton'izay, ariho io rano io ary sasao madio ny tsaramaso.
Fandrahoana ny tsaramaso:
- Ataovy ao anaty vilany lehibe ny tsaramaso, asio rano betsaka (tsy asiana sira aloha mba tsy hihamafy ny tsaramaso).
- Andrahoina mandritra ny 1 ora eo ho eo mandra-pahalemin'ny voany tsara (tokony ho tsilika mora foana amin'ny rantsan-tanana).
Fikarakarana ny sosisy na hena:
- Etsy an-daniny, teteho ny sosisy na ny henakisoa.
- Endaso amin'ny menaka kely ao anaty vilany hafa mandra-pahazoany loko mendy tsara.
Fampidirana ny zava-manitra:
- Rehefa mendy ny hena, arosoy ao ny tongolobe, ny tongolo gasy, ny sakamalaho, ary ny voatabia voatetika.
- Avelao ho mendy sy halemy tsara ny voatabia mandritra ny 5 ka hatramin'ny 10 minitra.
Fampifangaroana azy:
- Araraho ao anatin'ity vilany misy hena sy zava-manitra ity ny tsaramaso efa malemy miaraka amin'ny rony (rano nandrahoana azy).
- Asio sira amin'izay araka izay tiana.
Fiketrehana azy:
- Avelao hangotraka sy hiketrika amin'ny afo malefaka mandritra ny 20 minitra mandra-pahatonga ny saosy ho marihitra sy be rony tsara (misy voany sasany azo potsehina kely amin'ny sotro mba hamparihitra ny rony).
Fandrosoana azy:
- Aroso mafana tsara miaraka amin'ny vary fotsy mafana sy lasary voatabia na lasary karaoty misy sakay.
Traduction
Haricots blancs aux saucisses
Quantités : pour 4 à 6 personnes
Ingrédients :
- Haricots : 300g de haricots blancs secs
- Viande : 300g de saucisses fraîches de porc (type saucisses de Toulouse ou créoles) ou de poitrine de porc coupée en morceaux
- Aromates :
- 1 gros oignon émincé
- 4 gousses d'ail écrasées
- 1 morceau de gingembre frais râpé (environ 2cm)
- 2 grosses tomates bien mûres, coupées en dés
- Huile et sel
Préparation :
Trempage :
- La veille, faites tremper les haricots blancs dans un grand volume d'eau froide pendant toute la nuit.
- Le lendemain, égouttez-les et rincez-les.
Cuisson des haricots :
- Mettez les haricots dans une grande marmite et couvrez-les largement d'eau froide.
- Ne salez pas à ce stade (le sel durcit la peau des haricots).
- Laissez cuire à feu moyen pendant environ 1 heure, jusqu'à ce qu'ils soient bien tendres sous la dent.
Cuisson de la viande :
- Pendant ce temps, coupez les saucisses (ou le porc) en morceaux.
- Dans une autre marmite, faites-les dorer avec un filet d'huile jusqu'à ce qu'ils soient bien colorés.
Ajout des aromates :
- Ajoutez l'oignon, l'ail, le gingembre et les dés de tomates à la viande.
- Laissez mijoter à feu moyen pendant 5 à 10 minutes pour que les tomates fondent et forment une sauce parfumée.
Le mélange :
- Versez les haricots blancs cuits ainsi que leur eau de cuisson directement dans la marmite contenant la viande et les aromates.
- Salez enfin à votre convenance.
Mijotage final :
- Laissez mijoter le tout à feu doux pendant environ 20 minutes.
- Le bouillon doit réduire pour devenir très crémeux.
- Astuce : Écrasez quelques haricots contre les parois de la marmite à l'aide d'une cuillère en bois pour épaissir naturellement la sauce.
Service :
- Servez bien chaud sur un lit de riz blanc, accompagné d'un lasary de tomates bien relevé ou de piment.
Le Tsaramaso est si populaire à Madagascar qu'il a son jour officieux : le mercredi ! Dans la majorité des gargotes (petits restaurants locaux de rue), le mercredi midi est traditionnellement dédié au plat de haricots blancs au porc ou aux saucisses.