Conte: Ikoto et le Crocodile
/image%2F1287026%2F20260612%2Fob_07da15_1-a-trons-d-arbre.jpg)
Ikoto sy ny Mamba
Nandeha nitsangatsangana teo amoron’ny ony Ikoto, zazalahy kely mailo sy kinga saina. Nahita Mamba lehibe iray voasolafaka teo ambany vatan-kazo nianjera izy. Tsy afaka niala ilay Mamba ka nitaraina hoe:
— « Ry Ikoto kely ô! Mba jereo re ny fahoriako. Esory io vatan-kazo io fa mavesatra loatra, fa hamaly soa anao aho. »
Nampiasa ny heriny rehetra Ikoto ka nahavita nanosika ilay vatan-kazo. Raha vao afaka anefa ilay Mamba, dia nisambotra ny tongotr’i Ikoto tamin’ny vavany lehibe sady niteny hoe:
— « Noana loatra aho satria nilona teto elaela, ka hohaniko ianao! »
Niantsoantso Ikoto hoe:
— « Izany ve no valin'ny soa nataoko? Andao hanontany ny hevitry ny hafa raha rariny izany! »
Nandalo ny Ombilahy iray, ka nanontany azy izy roa. Namaly ny Ombilahy tezitra:
— « Rariny raha hohanin'i Mamba ianao! Izahay omby dia miasa mafy ho an'ny olona, nefa rehefa antitra izahay dia vonoiny hohanina ny henanay! »
Avy eo, nisy Tsikirity (vorona kely) nanidina teo. Nahita ny loza izy ka niteny tamin'i Mamba tam-pahendrena hoe:
— « Ry Mamba mpanjaka, tsy mino aho fa nahavita nanosika iny vatan-kazo iny ity zazalahy kely ity. Jereo ange, tsy mitombina izany! Avereno kely ny toerana nisy anao teo hahitako ny marina. »
Te-hanaporofo ny heriny ilay Mamba adala, ka niverina teo ambany vatan-kazo. Nampian'ny Tsikirity hanosika ny hazo teo amboniny indray Ikoto. Rehefa voafandrika indray ilay Mamba, dia niteny ilay vorona hoe:
— « Mandehana mody amin'izay, ry Ikoto! Navelan'i Mamba ho faty ianao, ka avelao izy ho faty eo koa! »
Ikoto et le Crocodile
Le petit Ikoto, un garçon vif et très rusé, se promenait au bord du fleuve. Il vit un grand Crocodile coincé sous un tronc d'arbre qui était tombé. Le Crocodile ne pouvait plus bouger et se lamenta :
— « Oh, petit Ikoto ! Regarde ma détresse. Enlève ce tronc d'arbre car il est trop lourd, et je te revaudrai ce bienfait. »
Ikoto utilisa toutes ses forces et réussit à pousser le tronc d'arbre. Mais dès qu'il fut libéré, le Crocodile saisit la jambe d'Ikoto dans sa grande gueule et dit :
— « J'ai trop faim car je suis resté coincé ici longtemps, je vais donc te manger ! »
Ikoto s'écria :
— « Est-ce là la récompense pour le bien que je t'ai fait ? Demandons l'avis des autres pour voir si c'est juste ! »
Un Taureau passa par là, et ils lui posèrent la question. Le Taureau, amer, répondit :
— « C'est justice que le Crocodile te mange ! Nous, les zébus, nous travaillons dur pour les hommes, mais quand nous sommes vieux, ils nous tuent pour manger notre viande ! »
Ensuite, un petit oiseau (Tsikirity) vola au-dessus d'eux. Voyant le danger, il dit s'adresser sagement au Crocodile :
— « Roi Crocodile, je ne crois pas que ce tout petit garçon ait pu pousser ce tronc d'arbre. Regarde, cela n'a pas de sens ! Reprends un peu ta place d'avant pour que je voie la vérité. »
Voulant prouver sa force, le stupide Crocodile se réinstalla sous le tronc. Ikoto, aidé par l'oiseau, repoussa le bois sur lui. Une fois le Crocodile de nouveau piégé, le petit oiseau dit :
— « Rentre chez toi maintenant, Ikoto ! Le Crocodile t'avait condamné à mort, laisse-le mourir là à son tour ! »