Poème: "Pleine lune, au bord d'un lac..." - Hanitra Salomon

Publié le par Hanitra Salomon

Toi et l'univers

 

"Pleine lune, au bord d'un lac..."

 

Tu reflètes dans l'eau le visage de la mélancolie

Tu perçois dans le rêve les réflexions de l'eau

Tous deux t'atteignent, et t'imprègnent

Te veulent être leur rêve, un rêve qui fait écho

 

Tu marches, ô, sur la terre, tes pas comme le vent,

Tu marches comme on trace un ciel clair

Ces vents qui vaguent sont-ils empreints de ta conscience,

Eux dont, sans l'épreuve, on ignorerait un mouvement ?

 

Sur ton visage, tes yeux humides

Dessinent la pleine lune, les mots qui dansent, les contes,

Sur le firmament, inspirés de l'univers !

 

S'y illuminent tes songes, dans les flots de la nuit

Dans l'aube sur l'horizon profond

Qui éveille ton âme, ô, l'humain qui réalise les rêves...

 

Hanitra Salomon

06/08/2017

 

Ianao sy ny voaary

 

"Indray fenomanana, eo amorom-parihy..."

 

Taratrao amin'ny rano ny endriky ny nofinofy

Taratrao amin'ny nofy ny eritreritry ny rano

Samy tojo anao ireo, te hameno anao feno

Te ho nofy anao koa, ary te ho nofy heno.

 

 

Diavinao e ny tany, ny dianao mifofofofo,

Diavinao toy ny fofy amin'ny lani-manganohano

Soritry ny nahinao ve ny rivotra manonja,

Izay raha tsy ny sedra tsy hita fihetsika iray monja ?

 

Eo amin'ny endrikao, ny masonao manganohano

Ahitana diavolana, dihy volana, angano,

Eny an'habakabaka eny, iray fanahy amin'ny voaary !

 

Taratrao ao ny nofy, entin'ny alina manonja

Amin'ny mazava ratsy faratazana mafonja

Mamoha anao fanahy olona, manao ny nofy mba hanjary...

 

Hanitr’Ony

06/08/2017

in "Mitepo Tempo" Ranjasoa Publishing (2019)

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article