Porc et Bœuf aux Haricots
/image%2F1287026%2F20260720%2Fob_8b4131_1-a-porc-et-boeuf.jpg)
Hen'omby sy Henakisoa miaraka amin'ny Tsaramaso
Akora ilaina ::
Henakisoa matavy : 300g
Hen'omby : 300g
Taramaso maina : 250g (efa nalona rano ny alina)
Tongolo be : 1
Voatabia : 2 ny isa
Sira
Fomba fikarakarana :
Mandraho ny tsaramaso:
- Andrahoina mialoha ny tsaramaso mandra-pahaleminy tsara.
Ny hena:
- Teteho ny henakisoa sy hen'omby.
- Endaso amin'ny vilany mitokana mandra-pivoahan'ny menak'ilay kisoa sy handokoan'ny hena (ho mena tsara).
Mifangaro:
- Arosoy ao ny tongolo voatetika sy ny voatabia.
- Rehefa mivadika ho saosy, dia arosoy ao ny tsaramaso efa nandrahoina niaraka tamin'ny ranony.
Fanalana:
- Asio sira araka izay tianao.
- Avelao hifangaro tsara amin'ny afo malefaka mandritra ny 20 minitra mandra-pihantson'ny saosy.
Mazotoa homana !
Traduction
Porc et Bœuf aux Haricots
Ingrédients :
- Viande de porc grasse : 300 g
- Viande de bœuf : 300 g
- Haricots blancs secs : 250 g (trempés dans l'eau la veille)
- Oignon : 1
- Tomates : 2
- Sel
Préparation :
Cuisson des haricots :
- Faites cuire à l'avance les haricots jusqu'à ce qu'ils soient bien tendres.
La viande :
- Coupez la viande de porc et la viande de bœuf en morceaux.
- Faites-les revenir dans une marmite séparée jusqu'à ce que le porc rende sa graisse et que la viande soit bien dorée.
Le mélange :
- Ajoutez l'oignon émincé et les tomates.
- Une fois que le mélange se transforme en sauce, incorporez les haricots cuits avec leur jus de cuisson.
Mijotage :
- Assaisonnez de sel selon votre goût.
- Laissez bien mijoter à feu doux pendant 20 minutes jusqu'à ce que la sauce réduise et épaississe.
Bon appétit !