Poème: "Simplement" Rado
FOTSINY SIMPLEMENT !
Tiako fotsiny ianao Je t’aime simplement
Tsy asiana hoe "nahoana" Sans à dire "pourquoi"
Na tovonana "satria" Ni rajouter "puisque"
Fa tiako fotsiny amin’izao Car je t’aime tout simplement
Tasy amerana fotoana Sans limites dans le temps
Tiako fotsiny doria. Je t’aime à jamais.
Ny "satria" sy ny "nahoana" Les causes et les raisons
Mety ho takatsy ny saina ? Fruits de la pensée
Teika ikendrena laka… Ne sont que des appâts…
Haingon-teny babangoana, Préciosité oiseuse,
Rindram-bolam-bery maina, Subtilité stérile,
Ravina tsy misy faka Feuilles sans suc.
Tsy ny teny izay tononina Les mots prononcés
No hahafeno ny fitia Ne comblent ne rien l’amour
Efa feno rahateo En soi déjà comblé
Tsy ny toky izay foronina Tout comme le serment
Mora rava sy malia, Invention si fragile
Fa ny fo tsy manam-peo. C’est plutôt le cœur inaudible, muet.
RADO, 03 avril, 1974, ZO, p. 57
Traduction Voahangy Ramiejamanana ANDRIAMANANTENA