Poème: "Sœurs du silence en la tristesse" Jean-Joseph Rabearivelo

Publié le par Alain GYRE

 

Sœurs du silence en la tristesse,

les fleurs qui n’ont que leur beauté

et leur solitude,

les fleurs-morceaux du cœur terrien

palpitant à l’unisson des nids-

dorment-elles ici, font-elles des rêves

sur la fin de leur destinée ?

 

Les doigts

qui ne voulaient d’elles que leur jeunesse,

les doigts se sont tous joints

dans la chaude blancheur des draps-

sauf les miens qui sont si frêles

et qui savent tant choyer

les choses délicates.

 

Mes lèvres aussi frôlent les fleurs,

les fleurs devenues plus mystérieuses,

et plus belles, si brusquement hardies.

 

Et j’entends,

mêlées à la respiration des herbes,

leurs dernières confidences,

Ah ! comme elles seraient douloureuses

sans ces parfums pacifiques, Seigneur,

qui s’évadent avec leur vie !

 

Rahavavin’ny fanginana amin’ny alahelo,

ny voninkazo izay tsy manana afa-tsy ny hasoany

sy ny fitokany monina,

ny voninkazo –sombim-pon’ny tany

miara-mitepo amin’ankany-

matory izy eto sa manonofy,

eto am-paran’ny vintany ?

 

Ny rantsan-tànana

izay tsy nila aminy afa-tsy ny hatanorany,

ny rantsan_tànana rehetra dia efa nifamihina

ao anaty hadio mafanan’ny lamba-

afa-tsy ny ahy izay bakora fatratra

ary mahay mikenakena

ny zava-malemy.

 

Misakasoka amin’ny voninkazo koa ny molotro,

ny voninkazo saropantarina

ary miha-tsara tarehy, ary sahisahy tampoka.

 

Ary reko,

mifamahofaho amin’ny fiainan’ny ahitra

ny bitsibitsiny farany :

ho toa hampahory izy

tsy teo ireto hanitra miadana ireto, ry Tompo,

izay miara-mandrositra amin(ny fiainany !

 

Jean-Joseph Rabearivelo

Traduit de La Nuit

Nadika tamin’Ny Alina

Editions Tsipika

 

 

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article